John 1

1Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2Izany dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. 3Ny zavatra rehetra dia avy Aminy avokoa, ary raha tsy noho Izy dia tsy nisy na inona na inona.

4Noho Izy no nisiam-piainana, ary io fiainana io no fahazavan’ny olona rehetra. 5Ny hazavana dia mamiratra ao anaty haizina, ary ny haizina tsy nandresy izany.

6Nisy lehilahy iray nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. 7Tonga izy mba ho vavolombelona hanambara ny momban’ny fahazavana, mba hinoan’ny rehetra amin’ny alalany. 8Tsy Jaona ilay fahazavana, fa kosa tonga mba hanambara ny momba ilay fahazavana izy.

9Ny fahazavana marina, izay manome hazavana ny olona rehetra, dia tonga eto amin’izao tontolo izao.

10Teto amin’izao tontolo Izy, ary Izy no nahariana an’izao tontolo izao, ary izao tontolo izao tsy nahalala Azy. 11Tonga tany amin’ny olony Izy, ary ny olony tsy nandray Azy.

12Fa ireo maro nandray Azy, izay nino ny anarany, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’ Andriamanitra. 13Ireo dia tsy nateraka tamin’ny rà, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa ny an’Andriamanitra.

14Ary ny Teny tonga nofo ka nonina teo amintsika. Hitanay ny voninahiny, voninahitra tahaka ilay iray sy tokana izay tonga avy tamin’ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana. 15Jaona nanambara ny momba Azy ka nihiaka mafy, manao hoe: “Izy ilay iray izay efa nolazaiko hoe: ‘Izy izay tonga aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy.”’

16Fa avy amin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana hanampy fahasoavana. 17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Ny fahasoavana sy fahamarinana dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy kristy. 18Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa ilay Andriamanitra iray sy tokana, izao eo an-tratran’ilay Ray, no nampahafantatra Azy.

19Ary izao no fanambaran’i Jaona rehefa naniraka ireo mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankeo aminy ireo Jiosy mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianoa?” 20Niteny tsotra izy, ary tsy nandà, fa namaly hoe: “Tsy kristy aho.” 21Ka nanontany azy izy ireo hoe: “Inona ary ianao izany? Elia va ianao?” Niteny izy hoe: “Tsy izy aho” Hoy izy ireo hoe: “Ianao va ilay mpaminany?” Namaly izy hoe: “Tsia”.

22Avy eo izy ireo niteny taminy hoe: “Iza ianao, mba afahanay manome valin-teny an’ireo izay naniraka anay? Inona no hambaranao momban’ny tenanao?” 23Hoy izy hoe: “Izao ilay feo, miantso mafy any an’efitra hoe: ‘Ataovy mahitsy ny lalan’ny Tompo,’ araka ny voalazan’Isaia mpaminany.”

24Ary nisy iraka sasany avy amin’ireo fariseo nalefa, 25ary nanontany azy izy ireo ka niteny taminy hoe: “Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy Kristy ianao no sady tsy Elia no tsy ilay mpaminany?”

26Ary Jaona namaly azy ireo, manao hoe: “Manao batisa amin’ny rano aho. Fa eo anivonareo eo dia misy olona iray mijoro izay tsy fantatrareo. 27Izy ilay iray izay tonga avy ao aoriako, izay tsy mendrika ahy ny hamaha ny fehi-kapany.” 28Ireo zavatra ireo dia natao tany Betania tany andafin’i jordana, izay nanaovan’i Jaona batisa.

29Ny ampitso Jaona nahita an’i Jesosy nanatona azy ary nilaza hoe: “Jereo, indro ny zanak‘ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! 30Ity ilay iray izay nolazaiko hoe: ‘Ilay iray izay tonga avy aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy.’ 31Ary izaho tsy nahalala Azy, fa mba ho voalaza amin’Isiraely izy no nihaviako hanao batisa amin’ny rano.”

32Jaona nanambara, manao hoe: “Nahita ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromailala aho, ary nioetra teo amboniny izany. 33Tsy nahafantatra Azy aho, fa Izy izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano nilaza tamiko hoe: ‘Eo ambonin’izay hitanao hidinan’ny Fanahy sy hitoerany eo aminy, izy ilay iray izay manao batisa amin’ny Fanahy Masina.’ 34Sady nahita aho no nanambara fa izy ilay Zanak’Andriamanitra.”

35Ny ampitso, indray, raha nijoro niaraka tamin’ny roa amin’ireo mpianany Jaona, 36dia nahita an’i Jesosy nandeha izy ireo, ka hoy Jaona hoe: “Jereo, ilay Zanak‘ondrin’Andriamanitra!”

37Nandre azy niteny izany ireo mpianany roa ka nanaraka an’i Jesosy izy ireo. 38Avy eo Jesosy nitodika ka nahita azy ireo nanaraka Azy ka niteny azy ireo hoe: “Inona no ilainareo?” Namaly ireo hoe: “Raby (izay midika hoe mpampianatra), aiza Ianao no mitoetra?” 39Namaly azy ireo Izy hoe: “Manatona ary jereo.” Ary nanatona izy ireo ka nahita ny toerana izay nonenany; nitoetra niaraka Taminy tao izy ireo tamin’io andro io, fa tokony efa ho ora fahafolo tamin’izay.

40Iray tamin’ireo mpianatra roa nandre an’i Jaona niteny ary nanaraka an’i Jesosy avy eo i Andrea, rahalahin’i Simona Petera. 41Nitady an’i Simona rahalahiny aloha izy ary nilaza taminy hoe: “Hitanay ny Mesia” ( izay adika hoe Kristy) 42Nitondra azy tany amin’i Jesosy izy, ary nijery azy Jesosy ka niteny hoe: “Ianao dia Simona zanak’i Jaona, ianao dia ho antsoina hoe Kefasy” (izay midika hoe: Petera).

43Ny ampitso, raha te-hiala ho any Galilia Jesosy, dia nahita an’i Filipo Izy ary nilaza taminy hoe: “Manaraha Ahy.” 44Filipo dia avy any betsahida, tanànan’i Andrea sy Petera. 45Nahita an’i Natanaela i Filipo ka niteny taminy hoe: “Izy izay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny lalàna, sy ireo mpaminany, hitanay Izy, dia Jesosy zanak’i Josefa, avy any Nazareta.”

46Natanaela niteny taminy hoe: “Moa hisy zava-tsoa avy ao Nazareta?” Filipo nilaza taminy hoe: “Manatona ary jereo.” 47Jesosy nahita an’i Natanaela nanatona azy ary nilaza ireo mombamomba azy hoe: “Jereo, izany no tena isiraelita, izay tsy misy fitaka ao aminy!” 48Natanaela niteny Taminy hoe: “Ahoana no hahafantaranao ahy?” Jesosy namaly ka nilaza taminy hoe: “Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, raha teo ambanin’ny hazon’aviavy ianao, dia tazako.”

49Natanaela namaly hoe: “Raby, Ianao ilay zanak’Andriamanitra! Ianao no mpanjakan’Isiraely!” 50Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: “Satria ve Aho niteny taminao hoe: ‘Nahita anao teo ambanin’ny hazon’aviavy Aho,’ no hinoanao? Hahita zavatra tsara mihoatra noho izany ianao.” Avy eo Izy niteny hoe: “Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hahita ny lanitra hisokatra ianareo, ary ireo anjelin’Andriamanitra hiakatra sy hidina eo ambonin’ny Zanak’Olona.”

51

Copyright information for PltULB